Dady love - Inty aho
Tompo o! aiza moa ianao fa resy ahoFa toa haizina ny lalana izay alehako
Noheveriko fa hahatsara ahy
Ny adalana izay vitako hatrizay Ray o
Mangataka ny famelana avy aminao aho
Mba hanavaozako ny fiainako mba ho anao
Ka fantatro fa tena mbola tanora aho
Mora voasarika ny hanao ny asan'ny maizina
Mino aho fa tia ahy ianao Tompo ô
Hamantatra Ireo lalana
Izay hizorako hatrany hanaradia anao
Ref : Inty aho fa vonon-kanaraka anao
Raha tsy anao Tompo ô aiza mo no hiafaran'ny fianako
Ka hiezaka aho hitandrina ireo didy napetrakao
N'aiza n'aiza misy aha Ray ô fa eo ianao
Tompo ô tsy haiko ny tsy hisaotra anao
Nohon'ny fitiavanao ka mba nomenao talenta aho
Ho aiza anefa no halehako itoerako
Kamboty mahantra kely ity raha tsy ianao no ialoha ahy
Ref : Inty aho fa vonon-kanaraka anao
Raha tsy anao Tompo ô aiza mo no hiafaran'ny fianako
Ka hiezaka aho hitandrina ireo didy napetrakao
N'aiza n'aiza misy aha Ray ô fa eo ianao
Nalefanao ny Zanakao nanolon-tena ho anay
'Nefa izay mpanota tsy mendrika ho anao
Tsy kivy aho tsy ketraka Tompo ô
Mahatoky fa manana hitantana ahy hialoha ny lalan-kaleha
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire